<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Tsy hangina re ny hoby noho hianao ry Ziana FFPM351</title>
<lyrics>[V1]
 Tsy hangina re ny hoby,
 noho hianao ry Ziona ;
 Fa miposaka aminao
 ny fahazavana soa ;
 Ny fanilom-pamonjena,
 indro fa torina
 Hanazava ny olona tokoa.
 Mivoaha, asandrato ny
 faneva soanareo ;
 Tsenao re ny Mpanjaka,
 fa avy aminao
 Ny famonjeny sy ny lova
 izay atolony anao
 Satria hianao dia tsy foiny.

[V2]
 Voninahi-panjakana
 isaloranao
 Sy anaram-baovao no
 iantsoana anao
 Fampakaram-bady, fety
 anaingàna anao
 Mba ho an'i Kristy,
 Ilay Tomponao.
 Mivoaha, asandrato ..sns.

[V3]
 O ! Ry mpiambina tinendry
 eo ambony manda,
 Aza avelanao hangina re
 ny feonao
 Ka hijoro izao ny mino,
 fa tsy hisy banga
 Eo an-tobin'i Jeso Tomponao.
 Mivoaha, asandrato ..sns.</lyrics>
<hymn_number>351</hymn_number>
<author>C.A. Miles</author>
</song>